MBOLA ANY ILAY ANJARAKO (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro maromaro izay
no naharava ilay fitia
hatra@izao dia mbola mandoro mahamay
ka tena mankahia

Tia aho nefa tsy mba tiana
ka mila hahalasa adala
tomany,fijaliana
no navelan'ilay malala

Mafy tokoa izany
nefa tsy aho fa hitraka hatrany
fa raha mbola tany koa ny tany
dia tsy maintsy ho tojo ilay anjarako ihany
izay efa miandry ahy any ho any

Ka na alahelo na tomany
tsy mampaninona ahy izany
fa hiaretako, hiafiako
raha izay no hahasambatra ilay olon-tiako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1995 1
Mpakafy: Domoinalove
Hevitra mandeha
Domoinalove ( 23/11/2008 15:36)
Marin zan e!Ts atao mahakivy zan na D ekeko fa maf az e!Az kiv fa an fôn lay anjara e! avelao ze las hanD fa folo mitad toeran e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 11/01/2006 10:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145