You are here: home > Vetso

MIVERENA - SANDRATRA

Azo vakiana?

Manembona anao izany foko
ka velo-tseto sy toloko
malahelo sy mitomany
toa miantso anao hatrany

Izaho irery no sisa eto
mitomany sy misento
miantso an'iny olona iny
hamerina indray ny fahiny

Sahinao tokoa mantsy ny nandao
sy nisitaka ity ankany
miverena re raha azo atao
fa ny izaho aty mijaly

Ry tiako mba miverena
inty aho ka oneno
miverena fa aza avela hangatsiaka
miverena hanatanteraka ireo dinantsika

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha