You are here: home > Vetso

Noho ny tia - SANDRATRA

Azo vakiana?

Noho ny tia aho nampifilafilaina
ka efa eny an-tanan'olon kafa vao angolaina
ankehitriny efa nomeko azy avokoa
ilay fitia nahilikao taloha

noho ny tia aho nampijalijaliana
ka efa ety an-tanan'olon-kafa aho
vao iriana
ankehitriny efa feno ny hafaliako
ka mba avelao aho ho ento anilan'tiako

Noho ny tia aho nampitoamaniana
ka efa ety an-tanan'olon-kafaaho vao omenao hafaliana
ankehitriny efa mirana ny tavako satriza hainy ny nandray nyfitiavako

Noho ny tia  tsy noraharahina
raha nanontany tsy mba novaliana
ankehitriny ianao indray  no manambitamby
nefa izaho koa mba manana ny amby

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

poopie (31/10/2005 16:20:20)

tsara kosa ilay manana ambo fa misy mihevitra fa rhf ampifilafilaina vao maika hisarangotra;sambatra ianao nahita nanoloana azy satria tsy tia ny mampifila

Hametraka hevitra

Midira aloha