You are here: home > Vetso

ny ambony mbola ho ambany - SANDRATRA

Azo vakiana?

Mba nataoko ny ho tia
nataoko ny niafy
indrisy anefa zava-kafa ilay fitia
hay ianao nampirafy

Fa nahoana loatra re!
no sahinao ny toy izaho
sa ny fitiavako ve
no tsy mendrika anao?

Dia natakalonao harena
ilay fiarahana fahiny
ilay natao am-pahendrena
sy natao am-pahitsiana

nefa izao no tsarovy
tsy vita ny harena ny fitia
sa saranga tsy mitovy
dia lazaina fa isika no tsy tafara-dia

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha