NY HOAVY (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ho avy no anambara
raha toa ka tena anjara
hany tiako sady mamiko
ka satriko ery hiara-dalana amiko

Ny ho avy no handidy
fa izahay tsy tompon-tsafidy
ka porofo mivaingana avokoa
ireo sedra taloha

Ry ho avy mba lazao
izay ho avy ao aoriana ao
ambarao dieny izao
raha tsy ho ahy ianao

Ny ho avy no ndeha hafarana
ataovy iafaharana
hitondra voka-tsoa!
sa hampisitaka nyfo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1506 1
Hevitra mandeha
Icar ( 28/12/2005 13:06)
Misaotra betsaka t@ ilay tononkalo fa tena mampiheritreritra.
Mampisaina,mavesa-danja ary koa natao hisainana @ lalindalina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 23/11/2005 11:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106