Rehefa voa (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa voa ve ry tiana
dia ahilika sy ariana fa angaha tsy irony fahiny
no nampisy ity tsy manatsiny

toa adinonao sahady
ireo toky sy voady
fa na ho ratsy na ho tsara
dia hiaraka hanohy ny tantara

ny esory lava izao
no mba vaha olanao
fa angaha tsy silaky ny aina
no ho vonoina ry tsy misy saina

eny!ho zakaiko ny adalako
ka ny zanako tsy alako
fa na iza na iza hanaratsy
dia izaho efa vonona ny hiafy

nefa hoy aho aminao
mba hevero ihany izay atao
sao mantsy hanenina any aoriana
ka hitady ilay nariana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1041 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 30/12/2005 04:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0344