Forum Serasera (Sitlo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dovidovy endrika
Fa modimody mendrika
Refa amin'ny forum
de lasa mignone

Na motomoto-dava
Na fofofofom-bava
Bonetra tena izy
Eto amin'ny ankizy

Na ngeda be labiera
Na vesa-be deriera
Refa mangala-tsary
De poinss hatrany

Na miovaova anarana
Sy fombafomba arahana
De mety lalandava
Manao saro-tava

Na iks iks iks
Na tsisy pic pics
Dia mitovy avokoa
Samy manan-jo

kanefa ....

vendrana
dondrona
tsisy dalera

kentrina
pontrona
vaovao tam sera

tsisy ilana azy,
tsy mila miera

mahaiza
mangina
fa mandany lera

neih ....

Izato avona
Izato rehaka
Izato tsiny
Izato dehaka

Tsy mampaninona
Tohizo hatrany
Satria tsin tsin
Virtoaly

Sitlo .....
lalala
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2974 0
Hevitra mandeha
lanto ( 04/08/2007 18:53)
tsisy afa-tsy izany ve ? :-)
karako ( 16/08/2007 19:31)
Mampime be ko ty poezin'i Sitlo ty... Hahahaha
pissoa ( 26/08/2007 20:36)
hi hi hi !
Mateyous ( 16/10/2013 09:06)
hoatran'ny tsy de miady rima loatra an!!!
DotMG ( 16/10/2013 10:39)
Raha ny hevitro dia any amin'ny laharana fahatelo (na aorian'izay aza) no misy ny rima eo amin'ny tononkalo fa ny gadona sy ny hevitra no mitana ny laharana roa voalohany. I Rado ohatra anisan'ny poeta mahay mampiady rima fatratra kanefa ilay tononkalony hoe Hafatra no tiako indrindra tamin'izay nosoratany, ary tsy izaho irery no toy izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitlo
Nampiditra : sitlo
Daty : 03/08/2007 20:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146