You are here: home > Vetso

Mavesatra remix - Sitlo

Azo vakiana?

O ry Kanto, o ry Kanto
fa maninona ianao
no manao tononkalo
mahonena tahak'izao?

Raha ali-maizina ry lahy
mbola hisy ny maraina
K'aza vonton'ahiahy
f'asandrato re ny saina.

Meva ery ilay voninkazo,
Nefa zao hoe lasa maina.
Tsy maty izy tsy malazo
Tonga voa ho tohan'aina.

K'aza kivy re rahavana,
Na mafy aza dia sedraina
Eo indrindra no ilavana
Herim-po tsy tambo isaina.

sitlo lalala

Sokajy : Fanantenana, Malalaka

Hametraka hevitra

Midira aloha