Ny 29 martsa-ko remix - Sitlo
Hazo mahitsy maromaro,
vy maranitra isa-tendro,
ny fo midoboka mikalo,
tsisy tahotra sy fendro.
F'efa tamin'ny hazazany
no nahitany ny tsy mety.
Ny rainy lasa any ho any,
hilanja zioga an-tanety.
Tamin'ny fara-lohataona,
nanjombonjombona maraina,
ny iray tanĂ na no nisaona
nahare fa tapitr'aina.
Tomany izy tamin'izay,
tomany fa tomany i neny,
fa tsy niverina ilay ray
tsy niverina fa teny
teny no mba nampandre
fa nisy kapo-karavasy,
nisy olitra ny fery,
nisy vono vodibasy,
nisy vozona voatery.
Hazo mahitsy maromaro,
vy maranitra isa-tendro,
ny fo midoboka mikalo,
tsisy tahotra sy fendro.
Lasa izy sy ny sakaiza.
Nandeha nanatona mpanandro.
Nanontany hoe avy aiza,
sy ny tena vanin'andro?
Iny 29 martsa iny
no nihoraka nanafika.
Saingy indrisy tsisy firy,
ilay ady tsy naharitra.
Izy tsy nahateny intsony,
fa voatifitry ny basy.
Ny tenin-drainy no tsaroany:
"matesa ho an'ny malagasy"
Mombamomba
Mpanoratra : Sitlo
Nampiditra : sitloDaty : 17/03/2008
Mpamangy : 1475
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Frista kely faran'ny taonaFaly ery
iza no adala?
Mavesatra remix
Paiso remix
dakadaka
Gasy karakaina
Mikoty sipa
Ny maso sy ny camion
mox