You are here: home > Vetso

mox - Sitlo

Azo vakiana?

Tsy sipa, tsy vady, tsy vola
kanefa izaho nidoladola.
Ravina maitso marevaka,
izy io dia mampitofezaka.

Ny fofony kanto dia kanto,
ny setrony mahamena maso,
Lafolafo izay ilay izy,
Tandritandremo ny ankizy.

Izay tratrany lasa manidina,
manan'elatra toy ny angidina.
Inona ary izany ra-penina?
Ilay zavatra maha-domelina.

vita tompoko

http://img529.imageshack.us/img529/3159/marijuanaleafwt6.gif

Sokajy : Tontolo iainana

Hametraka hevitra

Midira aloha