narary kibo (Sitlo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ny taiko mafyno zary lasa valana
Voatery aho niafy
noho ianao ry kankana!
Fa ilay tavimandry
fitsidiko @ alina
No natao fiandry
nga tsy efa lalina
Ilay lava-piringa
Toa famakiam-boky
Tena nahakinga
Ny tenako aza loky
Ny olona nirevy
Izaho nandefa rivo
Tamin'izay grevy
Tao Antananarivo
sitlo ....
lalala
--------
Rohy:
Sokajy :
Ady
Hevitra mandeha
![](https://avatar.serasera.org/998d22f0a1a06f688340aef12429b0b1.jpg)
pissoa
(
28/08/2007 17:47)
ha ha ha ! tapa-tsinay hatrany ny mpamaky marina !
![](https://avatar.serasera.org/b465fac55b9f927bb1b8af215c7c61b3.jpg)
elyzo
(
28/02/2008 10:14)
mahita soratana foan ko le penina an! hahahah
![](https://avatar.serasera.org/eabbebc90c8fc2cdc9f47eeade097ed0.jpg)
fitiatantely
(
02/12/2008 13:23)
stilo an!sao de lany eo ny rano maintinao,ianao mahita soratana foana, fa inona mihitsy ny sakafonao !