FAHAFAHANA - Totyjim
Azo vakiana?
FAHAFAHANA
Tany aloha tany nisy ady mafy
Tolona nihatra aman’aina
Lefona niady amam-basy
Ray amandreny nanao sorona ny ainy
Tsy nitarain-tana-miepaka izany
Tsy nandraraka ilom-by an-doha
Fa nanohitra ireo mpanjanan-tany
Ireo voanjo fahavalo taloha
Fahafahana!!!!!
Ny fahafahana raha tiana hitohy
Mila ezaka ombam-pasahiana
Adinoina ireo zava-tsy foy
Hikatsahana ilay tanjona tiana
Efa maro angamba ireo efa vita
Fa tsy vitsy koa ny mbola ho atao
Ny fikirizana no lakana hampita
Ny mpivoy dia isika sy ianao
Fahafahana!!!!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Totyjim
Nampiditra : totyjimDaty : 07/03/2012
Mpamangy : 3105
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NY LASAANDEVONY
TSY IZY REHETRA
INY TONOKALONY INY
......................
SENTO HAFAHAFA
DISO FANANTENANA
TIAKO IANAO
IZAY TIA ADALA
FITIAVANA