You are here: home > Vetso

SENTO - Totyjim

Azo vakiana?

Lalina loatra manindrona anaty toa teny marary
Ny donan'ny sento izay tonga tsy nahy
Manangona tsiaro sy ireo vetsovetso mitambatra ho sary
Dia ho entiny miainga ny fo sy fanahy
Misoko mangina toa toakam-bazaha miha-mahazo laka
Ny tena fiaviny tsy fantatra loatra
Mamolivoly mitondra tamberina mila tsy ho zaka
Dikainy ny antonony lasa izy mihoatra
    
        Sento mandalo, miserana fotsiny manaitra matory
        Ny samboaravoara-tadidy navelany tsy hainy akory

    
                                                               Totyjim

Hevitra mandeha

fahamarinana (05/03/2010 09:10:00)

Kanto loatra !Tsara be ilay Aingam-panahinao !Mahafinaritra e!Misaotra nizara

Hametraka hevitra

Midira aloha