Antony - ...Tsoa
Azo vakiana?
ANTONY
Mahatsiaro matetika ny tany nialàna
ka tsy mety tamàna.
Manembona foana ny fiarahana omaly
ka zary mijaly.
Tsy mety mionona manaiky ny misy
ka mivolan’indrisy.
Misentom-pitia sy manina akany
dia rotsa-tomany.
Nefa manantena ny hiverina an-tany niaviana
ahita ny tiana.
Izay azoko heverina fa antony tokan’
ity fijaliana.
…Tsoa
13 sept 2004,Tolbiac Fce
Hevitra mandeha
vetsoko (13/12/2004 17:47:23)
nosoratako io tononkalo io satria zava-marina iainako isan'andro aty an-tany lavitra aty.Ho anareo mpifankatia izay afaka mifanena sy mihaona isan'andro na aiza io na aiza dia tsarovy fa manann-tombony ianareo
NyKanto (13/12/2004 18:43:56)
Efa niainako io... mankahery an'ise.
Ny Kanto.
yonikafopl (17/12/2004 20:44:59)
hummm
mampahery anareo. Aza kivy.
vetsoko (24/12/2004 15:36:43)
Iarindria (08/02/2016 14:02:24)
Tena Mahay ny mpanoratra na izao aza vao itako ty d mankahery .
Mombamomba
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : vetsokoDaty : 10/12/2004
Mpamangy : 1740
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Taratry ny omalyMBA LAZAO
AZA KIVY
FITIA TSY TANTERAKA
TIAKO IANAO
telo taona sahady
ASA...!
Hoentina aiza ???
Fiononako
Hafatra