FITIA TSY TANTERAKA (...Tsoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia voarara izaho sy ianao tsy hiombona fitia
Voarara sy voadidy tsy hahazo hiara-dia
Mafy izao sy maharary, tena jadona ny teny
Tsy afaka manoatra f’efa didin-dRay aman-dreny

Indrisy ity izaho dia mibaby fisentoana
Nefa lahatra ho antsika ka atao ahoana
Mangidy sy mafaitra ity voam-pahoriana
Ny tsy maintsy hatao dia mionona ry tiana

Fikasana tsy tontosa ka mampilofika ny fo
Karavasy maharary ka mila tsy ho tò
Ranomaso sisa no voatery mikoriana
Ho marik’alahelo izany re ry tiana

Andeha hankaiza moa izany sombiniaiko izany
Andao handray mosoara hamafa ny tomany
Tsy anjarantsika ny hiray tokantrano
Ka andao hifanadino sy hifampitso-drano

Etsy raiso ny tànako, adinoy tanteraka aho
Nosarahina amin-kery ny ravina sy taho
Koseho ireny lasa na dia mafy aza izao
Izao no vintana sy lahatra, ka tsy ho tsiniko sy ianao

Razanakoto Jean Claude
Anjanahary, 21.02.2011
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3467 1
Mpakafy: mamios
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : mamios
Daty : 21/02/2011 13:30
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146