MBA LAZAO - ...Tsoa
Azo vakiana?
Moa adalana ve ny hay
Raha handao anao tanteraka
Tsy heo izaho no efa sahy
Fa ny foko no efa reraka
Nijaly loatra izy hatrizay
Fa tsy nahita fahasambarana
Ka te haneo fa aoka izay
Fa sarotra ny fiarahana
Sarotra tamiko ny namantatra
Izay tena ao am-ponao ao
Ka zary lasa ankamantatra
Tsy mbola voavaliko hatramin’izao
Fa iza moa no omenao fo
Dia play fitia tsy afa mizara
Izy sa izaho ihany aloha
Lazao hay fa manadala
Dia ionona ny saiko
Ka hanadino ny aminao
Satria ny hampirafy anao tsy haiko
Koa miangavy aho lazao
Fa ny aty koa efa vonona
Noho ianao nanimataka hay
Ka aleo, aleo aho hionona
Dia hitso-drano fa aza manah
RAZANAKOTO Jean Claude
Anjanahary, 27.01.2011
Hevitra mandeha
heirzo (24/02/2011 10:29:58)
dadatsima (22/02/2012 22:41:47)
Mombamomba
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : mamiosDaty : 21/02/2011
Mpamangy : 2225
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Taratry ny omalyAZA KIVY
FITIA TSY TANTERAKA
TIAKO IANAO
telo taona sahady
ASA...!
Hoentina aiza ???
Fiononako
Hafatra
Antony