AZA KIVY (...Tsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy tokoa ny akason’ny tany
Izay nentim-pisoparana nandalo
Ka mampahory sy mampitomany
Nefa ankalazain’ny mpifankatia maro

Fetin’ny mpifankatia izany
Raha ambarako etoana
Izay feno taotrin’ny sento sy tomany
Nefa kosa mamela ny foko hisaona

Tiako loatra mantisy ianao ka tiako
Na dia lazainao voninkazo adala aza aho
Ka namela ilay hany faniriako
Haniry an-tany karakaina lao

Fa nahoana re, ny nataoko ve no tsy nety
No toa rava vetivety
Ilay dina izay natao
Mba nampiombona antsika sy ianao

Tiako oana anefa ianao
Na dia minia miery hay aza
Indrindra amin’izao fety izao
Tia aho saingy tsy hafa-mankalaza

Razanakoto Jean Claude
Anjanahary, 14 Février 2011
--------
Rohy:
3182 0
Hevitra mandeha
katrynah ( 18/12/2019 15:55)
Tsara le tononkalo fa hotran ny mampalahelo be
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : mamios
Daty : 21/02/2011 13:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162