telo taona sahady - ...Tsoa
Azo vakiana?
TELO TAONA SAHADY
Tadidiko ireny,
tsaroako ombieny ombieny;
lalan-tsarotra nodiavina,
fahoriana notadiavina,
saingy nody fifaliana
satria nanaiky ireo tiana.
Henjikenjika sy fosa,
hatrohatro samihafa,
toa ireny indray kosa
no vao maika nampitraka.
Faniriana nitovy,
ny nikatsaka azy roa,
zao r'ise no tsarovy a!
ny tompo no namindra fo.
...
Dia telo taona sahady !!!
'se aza moa?
efa hanambady !!!
zà koa anefa,
ts'hoe vao hitady!
Eeeeeh...!dia tsy nisy nanampy na ny akaiky na ny havana,
t@ ireny no nahatsapako fa ise no tena namana.
...Tsoa,Trappes le 10 avril 2006
Hevitra mandeha
fiaritiana (23/05/2006 17:37:14)
3 taona sahady...nampahatsiaro zavatra ahy ianao!
tsara fa tohizo
Mombamomba
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : vetsokoDaty : 23/05/2006
Mpamangy : 2080
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Taratry ny omalyMBA LAZAO
AZA KIVY
FITIA TSY TANTERAKA
TIAKO IANAO
ASA...!
Hoentina aiza ???
Fiononako
Hafatra
Antony