Iny tara-bolana iny - ...Tsoa
Azo vakiana?
Iny tara-bolana iny
Iny tara-bolana iny
tena betsaka mpaniry.
Vitsy anefa no itsikiany
ao anaty hirifiry.
Mazana anefa anaty alina
no fotoana hipotrany.
Anaty fahoriana lalina,
tonga izy manontany:
Inona no tsy ampy ?
Moa ve hazavana!
Ny hatsiaka ve no tsy tanty?
Rahampitso hisy hafanana.
Antenaina isan'andro
ny iposahan'ny masoandro.
...TSOA
27 janv 2005,Boissy St léger
Sokajy :
fanantenana
Hevitra mandeha
bichette (27/01/2005 18:49:59)
diavolana be tokoa ny andro amin'nizao fotoana izao.
NyKanto (28/01/2005 11:19:06)
Ka izay indrindra ho aho, hitako ilay izy omaly, androany efa lasa any an-toeran-kafa...dia niainga ny fanahy....misaotra an'i Tsoa...tsy misy hafa ohatra ny masoandro...mahatoky.
Mirary soa.
Ny Kanto.
Mombamomba
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : vetsokoDaty : 27/01/2005
Mpamangy : 1415
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Taratry ny omalyMBA LAZAO
AZA KIVY
FITIA TSY TANTERAKA
TIAKO IANAO
telo taona sahady
ASA...!
Hoentina aiza ???
Fiononako
Hafatra