Izao atao(ho fampaherezana an'i hasina heritiana) (...Tsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAO ATAO
Aza adinonao fa...
izy koa anie mba miheritreritra
sy maka sary an-tasina
irony zava-bita rehetra.
Saingy,
izy tsy afaka
hatramin'izay nahatapaka
ny fifandraisana izay nisy;
efa lasa ireny,indrisy !

Adinoy...
raha azo atao aza!
Soloy!
Dia ampirimo aleveno any @ lalina;
aza tsarovana akory
na dia zava-marina.
Ny ho avy jerena,olon-kafa indray fantarina;
iny efa tapitra,
f'ianao tsy maintsy miarina.
...Tsoa
29-01-03
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
2816 2
Mpakafy: Iarindria - Arimalala
Hevitra mandeha
yonikafopl ( 15/12/2004 21:59)
hummmmm
misaotra an'i Tsoa nampahery,
ny hoe hosoloina kalou, mety ho azo atao ihany, fa ilay hoe halevina any @ lalina toa tsy ho vita satria tsy nisy ratsy nifanaovana ange fa noho ilay antony iray mafonja no mandrara ilay fitiavana tsy hivelatra e!!
Fa misaotra noho ny toro hevitrao.
vetsoko ( 21/01/2005 13:28)
mahereza ary e!izay koa ilay izy vao tena fitiavana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ...Tsoa
Nampiditra : vetsoko
Daty : 15/12/2004 21:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018