ainga vaovao (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zao vetsoko izao?
atolotro ho anao
ny aingam-panahiko iray vaovao
sy ireo heritreritro niotrika tao
dia indro mitosaka etoana ho anao
k'indreny anjakao

Tsy kiry tsy akory
fa fo te hitory
ny rakitra ela
zay hany tavela
tsy levon'ny taona!

Tsy hira mimaona
na kalo misaona
sy liana hikika
ny lasa efa vita
fa ritsoka vao
hanala toloko
sy hanova loko
ny làlan'ombana
tsy nahatamana
ka ilam-panovana...!

Ka matoa aho mihira
sy mamiravira
ny lasa efa vita
dia efa mahita
ny làlam-boasori-tsy maintsy haleha
ka vonona hisikina hery lehibe
hanohitra hatrany
ny ady eto an-tany
hanolotra apinga sy fanoitra vao

hampandresy anao!!
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1230 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095