HIOVA HEVITRA AHO (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiova hevitra aho anio
tsy hitsetra intsony intsony
ny hakantom-boninkazo
sy ny tsikim-birijiny
mora maina sy malazo
fa hiova hevitra aho !

Ka na rahona mandalo
na ho loza mampimalo
na ho mosarena hatrany
noho ny fiainana eto an-tany
dia tsy ahoako intsony izany
fa hiova hevitra aho !

Hariako irony fiantrana
mampitombo fahantrana
k’ireo karazana fitserana
izay nandatsa-panenenana
nisalorako hatrizay
dia hodorako ho may
… tsy hisaonako eto akory !

Ireo masoko oriory
sangisangin-dranomaso
tsy mba nifaliako akory
tao anaty torimaso
noho ny fitaky ny tiana
dia hapanginiko ho sina
tsy higororona intsony
ka hiova hevitra aho… !

Tena hiova hevitra aho !

Tsy haniry intsony koa
ny hadalàna tsy mba roan’
ireo maniry mba ho naman’
itsy volam-penomanana
mpamitaka etsy itsy !

‘zah tsy hitsetra intsony mihitsy
zavatra hita fa tsy hisy
(na ataoko hoe misy ihany
nefa tsy mateza an-tany)
fa hiova hevitra aho!

Hianjonako ny kintana,
tsy inoako ‘zay hoe vintana
ka na iza n’iza handalo
na ho volana hampimalo
na masoandro hibaliaka
na ho taolana hipika
na ahoana fitsikiana
sy ny angolangola iniana
atao hambabo izany foko
dia andraso fa hamavoiko
sy hodiako ts’hita akory
ka tsy hiontsona aho anio
noho io « FITIAVANA » io !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1575 1
Mpakafy: tsikikely
Hevitra mandeha
njafah ( 21/12/2007 12:23)
Mankahery anao tsy ho kivy
Na sanatria handany ivy
Ny rendrarendran'ity tany
Fa zava-poana ihany izany
Ka ny hevitrao no mety
Tazomy tsara tsy ho lefy
Ka hahita fahasambarana
Ny halahelonao hifarana.

njafah

njafah ( 21/12/2007 12:23)
Mankahery anao tsy ho kivy
Na sanatria handany ivy
Ny rendrarendran'ity tany
Fa zava-poana ihany izany
Ka ny hevitrao no mety
Tazomy tsara tsy ho lefy
Ka hahita fahasambarana
Ny halahelonao hifarana.

njafah

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137