SAMBATRA IANAO (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra ianao fa mahay mody tia
sy mitsiky anoloanan’ny manina anao
sambatra ianao fa tsy raiki-pitia
tamin’ny endrika kanto sy toky fanao!



Sambatra ianao fa toa maro mpaniry
kanefa tsy tia hafa tsy olona iray
sambatra loatra fa nety nikiry
ny hifampitantana mandrakizay !



Sambatra ianao f’efa manan-kotiavina
ka afa-miangola mamboraka hanta
f’izaho ‘zany kosa raha misy tadiavina
mionona irery fa tsy afa-mitafa !



Sambatra ianao fa tsy nety voarebin’
ireo rendrarendran’izao tany izao
sambatra ianao fa nataonao kinendry
ny ho tia sy hotiavin’ny malalanao !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1821 1
Mpakafy: tsikikely
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142