INY INDRAY MITORAKA INY (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nampariko ny saiko iny indray mitoraka iny
dia tsy ho haiko izay nitranga
fa ny foko ilay nangina fony saraky ny tiany
ka nanjohy tsy nihambahamba ilay làlam-pifamoizana
ny ranomasom-pivalozana
dia indro ianao fa nisalovana
tsy nihambahamba akory fa nivatravatra fiavy
k’avy hatrany tsy niangavy
fa nisintona ny akanjo ilay mba hany teny an-koditro
ka namerina indray tao anaty ny hovitrovitro
sy ny ratra nihafiany fony taminao ‘lay tiany
iny indray mitoraka iny
raha ny saiko no nampariko
dia asa foana izay navaliko
ireny fihetsikao ireny
fa noho ny vita tsy an-kiteny sy ny lasa izay nitranga
dia nangina aho angamba iny indray mitoroka iny
ka namihina ny tsiny nibosesika tanatiko
ary koa ho mandra-matiko irony vita hatramizay
dia ho ahy mandrakizay
sao ny lasantsika indray
no hanjary tonga sorona
ka tsy hataoko imason’olona
iny indray mitoraka iny
raha ianao ninaonaona
amizay tsy ahoatsiahoana
fa dia sahy nivazavaza sy nanao fitakin-jaza
tsy nisalasala akory f’avy hatrany dia namory
izato etan-kelinao
Ny fitia tsy kilalao
ka raha sendra izao sy izao dia handositra hiala
hanadino ilay malala nametrahana ny voady
ka dia sahy handao sahady
fa raha ny saiko tia miady
no nanao ny hadalany
dia asa foana no iafarany
fa noho izaho sy ianao fahiny
dia nangina aho tamin’iny

20/12/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1335 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0422