TSY NISY VE….? (Vanjanofy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny taloha ihany
no sorisorin-tsaina
hiainako eto izany…!

Mitohy hatrany hatrany
‘lay ratra sy tomany
nianjady hatramizay
fa nahoana kay?

Tsy nisy ve ilay
hirahira mamy
sy nofinofintsika
tanaty takariva
sy vola-mibaliaka !?

Nandalo ve irony
rodon-tononkalo
nampamolivoly ny fo, fanahintsika
sa dia nangatsiaka
‘lay silam-paradisa
mba niarahantsika
teo am-piotazana
ny menam-bodilanitra
sy kintana alin-kisa?
…..
Adinoko avoko
‘reo lasan’ny taloha
nampihinjakinjaka
ny hafalian’ny fo
nohiraiko hatramizay!
Tsy tsaroako ilay
olon-tiako izay
nitondra tsikitsiky
sy felam-boninkazo
noheveriko tsy halazo!

Ankehitriny kosa,
toloko an-tapitrisa
no tsinjo mikorisa
ka sento no miavosa!

Vanjanofy
21 Oktobra 2001
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
1484 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139