Tononkalo ho an-dRado ilay poetan’ny fahafahana (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro tsy hay lazaina
tsy tambo hotanisaina
‘reo tononkalo maro
nandrendrika olo-maro
nandalo teo imasoko
fa ny tena tsy haritro
sy hany mba tsikaritro
dia ny rindranao
tsy ataoko ankilabao
fa vaikan’andrian’nofo
nanindrona ny foko
no sady nahalaza
ny am-poko tsy nandaza
tamin’iza n’iza !

‘Reo vazonao mitambatra
dia kanto iray misandratra
voafidiko ho andrarezina
sy hapetrako hanatevina
ny hirahiram-poko
ry RADO ilay tsy foiko;
Fa na ny fahoriana
na ny fitsikiana
na ny fahafahana
sy ny fahalalahana
hatramin’ny fahendrena
sy fihavotan-tena
dia vitanao nihavana
tamin’ny fitiavana
noho ‘reo hiranao !

Ny vetsovetsonao
voarakitro hatrizao
ry Rado ilay poetako
no hany mba napetrako
anatin’ny diary
ary…
ny hafatrafatrao
mampahatsiahy hatrany
ny fahoriana an-tany
dia zary hira mamy
tsy afaka ao am-bavako !

Ny fitoviantsika
amin’ny mozika
sy ny gadon-kira
tena mamintsika
hatrany am-piandohana
dia ampy amahana
ny dinodinontsika
ry Rado ilay malazako,
ka ny tonombavako
arafitro eto an-tany
dia ho anao ihany :
N’aiza misy anao
n’inona atao
dia izay no antom-bavako
vavaka tsy lany
hatrany hatrany hatrany !
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
4480 0
Hevitra mandeha
walte ( 27/12/2010 11:24)
Misaotra anao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141