VALIN-KAFATRA HO AN-DRADO (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho porofo f’efa
henony sahady ireto hafatrao
dia ny tranonao no narindriko mangina
hikorisan’ny rano avy eo imasonao
ho fahatsiarovana azy…
ka ’lay tànako ‘zay efa rainazy
nokoboniko mangina
mandram-pifandrain’ny tànako sy ny azy….

Dia nentiko ‘lay tenako…,
‘lay tenako tsy ahy
fa eo am-pisalorana ireo tomaninao
… ny saiko tsy mitony
…ny vavako oriory
mivonona hamory
handrakitra mangina ny lainga tao am-poko
hampahafantatra azy
fa mianoka amin-kira sy silam-paradisa
ilay fitiavanao re mamisavisa
ny aminy tontolo
‘zay efa bobongolo… !

Vao niditra aho anefa,
izy mitakoko, miondrika, misaona
amin-trano babangoana
no hitako mimaona
anaty ranomaso…
tsy voninkazo tratrako,
tsy sary an-doha fandriany
fa ny fahanginany no nalainy ho namana
hitantarana irery ny ratra tao am-pony
ahiako tsy hitony

TSY MBOLA SAMBATRA IZY !

Io fahasambarany io
dia miandry fanindroany
ny tsiron’ny fitia avy ao an-tratranao
ka matokia ianao
fa tsy nasehoko azy ny kentron’andrinao,
tsy nolazaiko akory
ny fahanteranao efa oriory… !
Ireo diarinao mirakitra ny aminy
voalelaky ny afo no tsy haiko nolazaina
‘ndrao hiteraka taraina
ka hanampy fatra indray ny fahoriany mafy
sy dinitra ao am-pony
ny filazàko izany… !

Tsy nisy tsy voalazako
izay rehetra tao am-bavako
hany tsiny kely
dia izaho tsy mahay
miteny tsara toa anao !
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
2538 2
Mpakafy: pisokody - walte
Hevitra mandeha
fanoandria ( 19/06/2010 06:30)
M'saotra fa tena tsara
walte ( 27/12/2010 11:20)
tena hainao ny namaly ny hafatra, de msaotra fa tena kanto le izy. Teo ampamakina zaho vao nandinika kay valin'ilay tonokalo nosoratany hoe HAFATRA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0516