HAY (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAY

Nisy fiovana ny ngadon’ny tany va re
sa ny foko no izao vao mitia?
fa toa tsy haiko tsony ny hanavaka izay hoe
rano manonja sy dobo maria

Niova famindra ary ve ny adipaikan’
ny oram-baventy mamonto ny tany
no toa tsy tsaroako dia mahery vaika
ny sento tarihany izay sesilany?

Ô! Ny tany tsy niova, ny rano tsy tony
f’indreo mielontselona mora eny ihany
Ny foko kanefa tsy rototra intsony
HAY tojo ilay olona tiany izy androany

Vanjanofy
24/01/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153