Fantatrao fa nisy (Vanjanofy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatrao fa nisy saina iray nanjoy
nanaraka ny dianao hatraiza hatraiza
nanemitra ny làlana sy tsy mba nahafoy
Ny famindranao nanonja sy endrikao tinaiza

Fantatrao koa, fa nisy jery lalina
nikiry ny ho topazan’ny masonao baliaka
ho sary fankamamy rehefa tonga ny alina
ka hampanjary ho nofy ny ali-mangatsiaka

Tsy atoro anao kanefa, fa nisy koa tsipalotra
niantefa taminao toa vovoka mihely
dia kina lavareny zay zary tonga lalotra
nanefy anao tsikely ho mamy toa tantely

Fantatrao tokoa fa nisy mpakafy
ilay akanjo fotsy raha hisaloranao
teny rehetra teny ny fony dia ninia
hiaraka hitosy fa tsy tsaroanao

Ireny nisy ireny, maro mpahalala
betsaka mpitia, tsy vitsy mpankahala
kanefa taminao dia nisy tena nisy
ny orana nifafy sy tsiky menafify

17/12/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiainana
1559 1
Mpakafy: iriako
Hevitra mandeha
waveonja ( 02/03/2011 14:05)
toa ts taratro intsony n aingam-panahinao taty aoriana?
inona no asa soratra farany?
mba vakio lay mailaka azafady fa misy hafatra efa ho iray volana tsy voavakinao nefa enao tsy azo antsoina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785