alina (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
alina!
avy indray ianao
mitondra vetsovetso
ao am-poko ao...!
indro ny elatrao
manainga ny fanahiko
ho any an'anona any
misandratra tsy nahiko
ho ankoatrahoatra ny any
ny masoko oriory
ny sainko tsy mitony
fa ohatran'ny efa irony
an-dafy am-pita irony
'reo ladin-kasambarako
fongarinao tsy hitony!

Alina ô!
ry ali-mampanjombona
ny harivam-betsovetsoko!
tsy ekeko nefa teliko
ny setranao misopatra ny torimaso keliko

an-tsefatsefan-kalina
mifono zava-dalina!!
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1109 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104