Fahatsiarovana (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia fahatsiarovan-tsisa
re mamisavisa
'lay endrika nandalo
nimalo dia nimalo
nidify tsy hita intsony
ka toy ny felam-bony
tsy tojo terak'andro
'ty fitia nialin'andro
anivon'ito hariva...!

Tsy hita hoe antsoina
na koa mba hanoina
ny kiakan-dranomaso
narotsaky ny ankaso
'lay aloka niserana
nandatsa-panenenana
tao anaty fo...!

Nefa ny hanadino
dia zava-tsy mampino
f'injao mitempo hatrany
'lay teny tany ho any
voatonony ivaiva
tanaty takariva
raha 'lay efa hadiva
hirotsaka iny ny alina!

Hotsaroina hatrany
anatin'ny tomany
ireny rehetra ireny
...Inoana mbola hiteny!
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156