TSY HO RAVA TSY AKORY (Vanjanofy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay fa tsinapako mbola mafana
sy mamy ao anatiko ny hanina anao
mbola mamiratra tsy azo fafana
‘lay bika nanjary tsy foiko hatrizao !



Tsy maty tsy akory fa mbola ao ihany
‘reo raki-pitia nokoloina fahiny
zary hasambarako iray eto an-tany
ny fahatsiarovana ny orokao iny !



Ho reraka foana eo ‘reo mpanakora
hamingana antsika hianjera amin’ny tany
na inona sakana afitsoky ny ora
ny fotsika indray tsy ho lefin’izany !



Adalana ihany ny an’ny tany
hanelanelana antsika tsy hihaona
sao dia heveriny fa ‘zay izany
no handrava ‘lay androm-pitia lohataona !?



Tsy hisy tsy akory ‘zay fanadinoina
hamalona ny andro niaraha-nanondro
ny foko efa anao mbola hitempo ao foana
hirehitra mora toa afon’apombo !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1402 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1528