FINARITRA (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Finaritra!
Ny anarany aza
dia efa milaza
'lay endrika kanto
'zay soa sy milanto
narindran'ny Ray
Ny feony indray
dia toa vorona iray
mihantsa ao an'ala
ka tsy hisalana
fa tena mambabo ny fo sy ny saina
raha izay no lazaina!

Finaritra!
Toa satriko ihany
haverina indray
fa toa mampahatsiahy
'lay tsanganana meva
sy hodivitra fotsy
'zay azoko toky
ho nahavarina
sy nahasondriana
ireo 'zay mijery
fa endrika anjely
toa mirana lava
ka dia manazava
ny haizin'ny fo

'reo masony roa
dia toa vatosoa
mamiratra hatrany
ka mampanontany
ny toera-niaviany
ny zavatra tiany
sy izay faniriany

Finaritra!
Toa satriko ihany
hotononina hatrany
tsy ho afaka am-bava
fa tena milaza
ny fahatsarana
ananan'ny Ray
raha 'zay namako izay!
Ny feony izay
hainy angolaina amin'ny feo feno hanta
dia toa mahazatra
ny maso mijery sy sofi-mandre
ka zary kofehy
mamatotra fo mba ho raiki-pitia
toa tsiky malia
nirina hivimbina fanadinoina
mifono hasambarana azo ninoina
hitoetra ao anatsy sy hanafaka saona
ho mandavataona!

Ô ry Finaritra
tiako haharitra
hitoetra maharitra
ho fahatsiarovana
tena lalaiko
any anatin'ny saiko
'lay anaranao
ka 'zao teny 'zao
no mba hany lazaiko
tandremo ry aiko
fa ny hazo raha lava
dia toa eo lava
ny rivo-drehetra
no tonga miantefa!
Ny lisy raha mamy
tsisy hafa amin'izany
fa lasa toerana toa hafakely
ka hitangoronan'ny renitantely
sy lolo mandalo
ka aoka himalo
sy maontina hatrany
ianao sombinaina
fa malama maina
sy feno tomany
ny fiainana an-tany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1554 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769