FO MITIA (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fo mitempo ila lavi-kavana hitafana reko izany
misy sodina aman-kira re mamelovelo nefa tsy eto an-tany
misy fifaliana mamy
misy rotsaka tomanim-pifaliana sesilany any ho any!
Hasambarana mandalo
miampy rodon-tononkalo
no injany fa mitsaika
sy mandodona tsy laitra
ny aty fo!
Fo irery
te hitia
tsy tafandry
no injao fa sasa-miandry
ny fotoana mamy iray
hitojoan'ilay malalany
eo an-alitaram-pony!
Maso roa mifampitopy
tsiky mitsilopilopy
tànana te hifandray
fo mitempo anakiray
no injay ka injay
fa manonjanonja loatra
sy mamelovelo hatrany
ny hasambarana tsy lany
izay tsinapany tsy ritra!

Kalokalo an-tapitrisa
izay mitory ny fitia
tsy sasatra ny mitanisa
ny paradisan'ireo tia
ianohany any ho any
no injany ka injany
mihararetra avy ao an-tratra
sy mitelina ny ratra
nofihainy hatrizay!

Izany fo mitempo izany
no indro tsapako eto androany
mandray anao ho ato anatiko...
Izany fifaliana izany
no mitory hatrany hatrany
fa ianao no tena mamiko

Vanjanofy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1637 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0262