Isaky (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isaky ny mifanojo ireo masontsika ireo
ka mitsipika eny an'endrika ny hafaliana tsy omby tratra
dia tsarovy fa ny foko savilihan'ny toreo
hanadino ny hirifiry ho toy ny zavatra tsy niatra!

Isaky ny mifandona hanjary ho iray ny tànantsika
ka misotro teny mamy ny aty foko sy fanahy
dia injay fa toa tsaroako miom-peo hamikiviky
ho any an-tanin'nofy iray ny fitiavako sy tsiahy!

Raha hamafa ny fisiko ny fihirako anao hatrany
eny na hivimbina ahy hisitaka tsy ho eto an-tany
ilay ianao ry nolalaiko mbola kantoko aoka izany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1067 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147