IZAHO MANTSY (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho mantsy ilay tsy tiana
novesaram-pahoriana
mody hanaovana angoty
dia indrisy fa nitoky
sy nihevi-tena ho tiana
ka nijinja fifaliana!
Eny izaho ilay nifaly
teo am-pisotroana jaly
fa nitokitoky foana

Raha mba hoe manao fotoana
dia mivimbina joretra
fa voalainga manjoretra
eny an-kebakeban-tany

Izaho mantsy ilay nitia
vorona mpiriaria
dia navela hangirifiry
hibaby ratra mankadiry
fa nitia am-pasahiana
ka voatapim-bava hangina!
Eny izaho ilay mpitsetra
sy mpitia tsy misy fetra

Izaho ry ireto ilay nijaly a!
Tsy natokana hifaly
ka raha sendra ny mba tiana
dia indrisy tratra aoriana
izay malala am-pelatanana
dia tsy maintsy mana-namana
hamenoany anao hatrany
eny izaho ilay 'ray an-tany
tsy sarahan-drafy izany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
853 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 27/04/2007 11:36)
gravy izany tononkalo izany ...
nikopol ( 27/04/2007 18:32)
ianao zany io an :p
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142