Malala (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a!

Tsaroako izany isika nifampisarizoro
ny kilalaontsika sy 'rony torotoro
niarahana nanao tandàlan'ny fitia
ilay izaho sy ianao nifankatia ery
rava anefa izany, foana ankehitriny
maina sy malazo 'lay tsiky tamin'iny!

Ny bitsika natao tsy nisy nahalala
Ny atsika nihafiana 'zay nampivoajamala
ny dinidinintsika foana sy nikoro
ny momba antsika rehetra nirodana daholo
ilay tantarantsika nalevina eto an-tany
ny tsiarontsika anefa mandindona aoka izany!

Malala a!
mandokoloko volo ilay fitiavantsika aky
ny hirahira mamin'ny vorona misioka
sy tara-pahazavan'ny vola-mibaliaka a!
saingy na izany isika tsy any intsony
ny lasa ajanony.....!
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1258 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145