Ny fiadanako (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mikobona eritreri-dalina ny rivotra mitsoka avy atsimo,
Mitsoka hafaliana anaty alahelo
ririnina manara… !

midona-tsetro-pahoriana ny saiko savolaina
mahita ny vatako mihararetra
tolomin’ny fanala vao mangiran-dratsy
eo am-panomanana ny ho aviko!

E… ‘ty izaho…!
Manjohy ny hazakazako
eto an-dàlam-ben’ny velona!

Miandry zavatra aho!

Inona anefa ?
harena ve !? vola ?
sa voninahitra !?

Tsia !
mandalo izany
loharano mety lany
hasambarana an-tany,
ambany fahefan’ny aina.
diavola-mibaliaka
ka feran’ny tsinana tsy hamiratra !

Tsy ahy ireny,
tsy idealiko !
satria vokatra tsy niasana tany,
rano tsy mba nantsakaina,
ka tsy mahafoana hetaheta!

Hafa ny ahy,
dia ilay hahafahako mankahala izay tiako indrindra
ilay hanakona ny masoko ho jambena tsy hahita ny mora lo
hahatonga ahy ho fahavalon’ny tenako
ka hisainako ny any ambadiky ny fasana !

Izay ‘lay fiadanako…!

Eny, ry fiadanako
nofiko ianao !

Fa nahatonga ahy hamoy ny farantsa farany indrindra hany tato an-kitapom-batsiko
hatolotra ho an’ilay mikaroka ny masoandrony
eny anaty oram-baratra
sy mikatsaka ny loharanom-pifaliany
eny an-tsefatsefan’ny haram-baton’ny fiainana
ka nampivelatra samirery ny molotro hitory fitsikiana
taorian’ny nofiko tra-maraina
hisendra indray ny onjan’ny tany !
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1012 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142