resy (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fantatro rahavako
fa vahotra ny vavako
raha vao mahita anao!
tsy fantatro fa izao
no hany tato an-tsaiko
"ianao no nolalaiko"
kanefa dia tsy haiko
fa toa tsy ampy ny aiko
hilazako izany...

tsy fantatro ihany koa
na saina efa voa
na henatra nandalo
no nanosika ahy himalo
sy hiahotra fiteny
rehefa toy ireny!

maro ireo tantara
sy zava-tiako hambara
tiako hotanisaina
rehefa ianao ry aina
no eo anilako eo!
tiako mba hiseho
ho renao eo no eo
ny tsiron'ny fitia
hiainako sady
sy ny heriko malia
toa resy tsy miady
manoloana anao...

ny masonao mitopy
mibanjina ahy miahotra
sy tsiky mitsilopy
toa hery mampitrahotra
ny vavako hivolana
no tara-diavolana
nanoro hevitra ahy
hikiry sy ho sahy
hilaza izay lazaiko
ka lalina ry aiko
fa tsy 'lay nokasaiko
haboraka aminao
no injay nivoaka avy ao
fa teny iray vaovao
sendra mba nandalo
niloaka avy ao am-poko
kanefa dia inoako
fa nahalaza tsara
izay rehetra tiako hambara
dia 'zao teny izao
"Tena tiako ianao!"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1208 1
Mpakafy: tsikikely
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0412