tsy hisy intsony (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tadidinao lay sipa miaraka amiko iny?
tsy ahy intsony izy iny!
tadidinao lay tànanay nifampisarizoro?
rava sy nikoro
'lay tsikitsikinay indray andro iry
zahay nidoladola hitanao taty
nirodana tery!

Tsy adinonao angamba 'lay ora fihaviany
ireo fotoana mamy niarahanay fahiny
efa nidifiny!
ny tsiky sy ny teny miloaka avy ao am-pony
efa tsy ahy intsony!
ny làlana nombana
nalama sy kitoana
tonga babangoana!!

Lasan'olon-kafa
reo sangy sy ny tsafa
nomeny ahy fahizay
fa... nisaraka izahay

Tsaronao tsara koa
'lay zotra iray taloha
izay fihandrinay?
any izy iny izay!
tsy hahita anay intsony
hifanorokoroka
amin'ny "retroviseur"
raha ilay "chauffeur"
be fitetika iny
fa foana ny fahiny

Ny zavatra rehetra nisy tamireny
ny tsara sy ny ratsy niraisanay ombieny
dia lazaiko anao
fa tsisy intsony izao!

Irony lasa irony?
efa novonoiny!!
... nivadika ny fony!


vanjanofy
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1045 0
Hevitra mandeha
ledada ( 02/01/2007 07:40)
izany tsy midika, raha "nivadika ny fony",
fa hoe izaho tsy hitsiriritra intsony
satria olon-kafa indray
no namindrany ny fony mbola mahamay
izaho ilay nanantena, handray bonne occasion,
nadraiky nanavy, voan'ny déception
hery ( 03/01/2007 11:20)
Fitiavana mandalo ve mbola azo antsoina hoe fitiavana?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145