TSY MBOLA ISIKA (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mbola isika angamba no hiaraka doria
an-dàlan'ny fitia
tsy mbola isika koa
no 'lay olon-droa
natao hifanasoa
sy hikambana eto an-tany
an-tsento sy tomany!

Nataoko iky fa ianao
'lay avy niantoraka
niondana ny tratrako
niararetra fatratra
no ilay tonga lafatra
nofisiko hatrizay!

Nataoko tamin'izay
fa ianao tokoa
no 'lay faharoa
hiara-hamakivaky
ny onjan-drano mafy
teteziko eto an-tany!

Kinanjo tsy izany...!
fa tsy ianao akory
no ilay ankiray
hanala sorisory
ny foko savolaina
sy hizaka ny taraina
fanaoko hatramizay!

Dia nionona aho satria
tsy mbola ho doria
ny amintsika roa
ka tsara angamba aloha
raha toa ka mifandao
sahady dieny izao
...ilay izaho sy ianao!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1061 1
Mpakafy: iriako
Hevitra mandeha
camie ( 21/12/2007 13:48)
c tro cool. mafy ny msarak amn olotina kanefa tsy maintsy ekena oe zay zan n laatr. nampaery b anà io tonokalo io satri za di vao avy niaina izan
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148