VAVAKA (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô!
Raha vitanao atao,
nahoana Ray
raha omena ahy indray
ilay finoana izay
nampitoerinao fahiny
tamin'ireo mpiandany anao?

Inoako Ray,
fa vitanao hatao
ny mampanaiky ny ao am-poko
nefa fantatro ry Tompo
fa safidy no omenao
ka mba hahafahako manao
izay rehetra sitrakao
dia aza omena ahy aloha
izay rehetra angatahiko
hahatsapako ny hirifirin'ny tsy fahazoana valim-bavaka
hampitombo ny finoako
ka hanompoako anao hatrany!

Amen
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1366 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747