zo (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zonao ny hamitaka ny foko lasanao
zonao ny hamitsaka sy hanao an-kilabao
zay rehetra foiko ho anao!

ianao dia manan-jo
hampifilafila
hilaza hoe "tsy mila"
raha izay no sitrakao!

azonao atao
eny zonao
ny hangarika ny tsikiko
sy maso valalanina
niantefa taminao

ny zo ananao?
io no apinga vao
entinao hiarovana
ny maha ianao anao
ka moa ve tsininao
ny hamadika ny foko
mangana toloko
raha izay no zonao?

eny angamba hoy aho
toa tsy diso ianao
raha toa nanao izao
izaho anefa rangitra
te hitrena mafy
hitsiny an'Andriamanitra
hilaza fa hoe ratsy
ny ananao ny zo
raha tena izay tokoa
no nanarianao ahy

eny asa lahy....!
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1084 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098