You are here: home > Vetso

Tiako fa tsy fantatro. Ka - Vetso mena

Azo vakiana?

Tiako fa tsy fantatro.
Ka dia nitiatia teny.
Ny tokana ananako.
dia ilay teny hoe eny.

Tiako fa tsy aiko akory.
Izay mba tiany kasaina.
Ahy mantsy hono ny fony.
Nefa hafa ny ao an-tsaina.

Tiako fa tsy fantatro.
Raha toa ka haharitra.
Mety tsy izy no lahatro.
Nahatonga ny anay tapitra.