Anjara sa Fitiavana? (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fo roa tsara vintana,
Vy roa tsy mba mikitrana,
Fa toa mifanome hery,
An-tsitra-po fa tsy voatery.

Saina roa ivohon'ny vato,
Mifampiresaka tsy miato,
Tsy matahotra alavirana,
Anaty haizina mangirana...

Fanahy roa mifampitady,
Sanatria hivarina an-kady
Izay tsara indrindra no omena,
Tia fotsiny tsy tia tena.

Vatana misary adala,
Satria efa samy mahalala,
Fa hoe any angamba no anjarany,
Fa ny aty sombim-pitiavany.


VR.Anjoron-tany.26-06-08
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1598 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 26/06/2008 18:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135