REHEFA (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa iny lasa ianao,
Ny mba kinasako tsy misy vanona,
Ny aingam-panahiko avy no mandao,
Ny fiainako mihitsy no mijanona.

Rehefa iny lasa ianao,
Mitsonika ny famataranandro,
Mandrahona ny orana hitatao.
Latsa-baratra mivolo fara-andro.

Fa rehefa iny kosa ianao tampody,
Miverina ny tsikiko nandalo fahirano,
Indreny velon-kira indray ny fody,
Miantsa ahy akoho taman-trano.

Tsy nampoiziko fa rehefa iny lasa ianao,
Toa ny masoandro mihitsy no mizahozaho,
Fa vao injay miserana ilay salovanao,
Dia toa miara-paly amiko ilay 'zao tontolo izao.

VR.06-08-08.
--------
Rohy:
1116 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 05/08/2008 23:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146