Tantara mitohy. (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tantara...mitohy

Tsy tandriko ny nahatongavany,
Tsy hitako ny nialany,
Fa ny foko sy ny tontolo ngazany,
No mbola eto diboka tomany.

Dia indreny koa ny tanako manoratra,
Fantatro fa mbola aminy ihany,
Mitady teny ahafahany manolatra,
Ny fery sy ny ratrany tany.

Ny sofiko njao mbola maheno,
Ako, sy hira toa fantatro ny bahany,
Ay ve ny gitarako ihany no maneno,
Ny tonon-kirany momba azy ny am-pahany.

Ireo rehetra reo no novorian'ny saiko,
Nataony tantara asian-dohateny
Hoe 'fitia maditra manohitra baiko'
Toa voninkazo mivelatra an-deniheny.

Zao ary no hafatro raha toa izy hitanao:
Tsy andriko mihitsy hono hoe ny ahatongavany,
Inona koa moa zay alaviran-tany?
Raha toa mbola izaho no safidim-pitiavany!

Ka raha toa varavarana efa nihidy,
-Aza ny tantarantsika toa fohy-,
Mbola aty foana lay fanala hidy
Hanefeko azy ho mbola tantara..mitohy
V Rahaga.
Anjoron-tany.20 may 2008.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fanantenana
2061 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 20/05/2008 12:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147