etsy ange ianao (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy ange ianao r'ilay zavavy tsara tsiky
iriko ho ahy ny tsikinao tena kanto
koa aoka indramiko andreseko iretsy iky
fa onena loatra izany foko tato ho ato

etsy ange ianao r'ilay zavavy tsara feo
fa iriko fatratra ny hiara-hikalo aminao
k'ity foko midoboka, miangavy mitoreo
sady feno tebiteby nefa tsy afaka hitrao

etsy ange ianao r'ilay zavavy mafinaritra
te hiresaka aminao ny voahary manontolo
fanamperana ianao ka ny foko tsy naharitra
ka babo nidaraboka ho hitan'ny tontolo

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Nosoratana ny 21 jolay 2017
--------
Rohy:
899 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175