Ilay Ora-Pitiavana (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompokolahy sy tompokovavy
Raha midona izany oran'Ankaratra
Dia tandindon'ilay oran-ko avy
ary hanomboka ny fahavaratra

Raha midona ny ora-pitiavana
Dia ilay fotoan'ny fanambadiana
Fotoana mahavory ny havana
ny lanonam-pianakaviana

Fa raha midona ny onjan-dranomasina
Dia mahatsiaro ilay morontsiraka
niantombohan'ilay fitiavana marina
Dia ny fitiavana tsy misy fitaka

Tonga ity ilay fotoana tsy manan-tsahala
Hanorenana izany fanambadiana
Na dia be aza ireo mpankahala !
Na dia be aza ireo mpanakiana!
fa ny fitiavako anao ry malala
Tsy ho rava na oviana na oviana


Nosoratan'i Raims Randriamalala (mahavonjy aimé)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1317 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153