tohin'ilay tantara fitiavana latsa-paka sady fizarana farany (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOHINY
dia nandeha teo ny tafatafan'ireto satria tafahoana ihany ny tia sy ny manina, ka dia hoy ny dadan'i Volana etsy hoe : " tafahoana ihany izany ity sy ny manina koa! fa hono aho ry Rado moa izy teo? dia hoy i Rado hoe :"ie, izay indrindra, fa ahoana izay? i dadan'i Volana:"izao no saika anontaniako an'ise hoe iza oa no anaran'i ray amandrenin'ise ity fa misy olona tena mitovy be amin'ise izay any fa sao dia mba misy ifandraisany eo aminareo sy izay olona izay?", i dadan'i volana mantsy ao amin'ny dadan'i Rado no miasa ary tena mitovy amin'ny rainy mihitsy tokoa mantsy ka izay indrindra no antony fanontaniany; dia gaga i Rado ny amin'izay fanontaniany izay ka hoy izy hoe: " mba hafahafa koa izany fanontaniana izany a, mbola tsy nisy nanontany ahy ohatr'izany mihitsy teo amin'ny fiainako, eny izaho aloha somary mitovy amin'ny dada izay ihany ary efa betraka no niteny ahy an'izany fa ny anao dia hafakely mihitsy ko!" , dia hoy i Volana nanamafy an'izay tenin'ny dadany izay hoe :" ie, tena mitovy amin'ilay mpampiasa andry dada mihitsy ianao ko?", dia hoy ny dadan'i Volana hoe :" ie marina mihitsy izany ka izay no antony lay fanontaniako teo, fa aleo izany ho any e!" dia hot i Volana hoe:"ie aleo marina izany ho any fa izao ho aho ry Rado a! ianao marina ve dia tsy nisy olona niaraka taminao mihitsy hatramin'izay tsy nifankahitantsika izay? dia hoy i Rado hoe :" eny e, raha ny tena marina aloha dia ianao foana no tato an-tsaiko e, nefa nisy ihany ireo vehivavy nanriry ny hiaraka amiko fa tsy nahataitra ahy mihitsy e, sady ianao foana no tena tato an-tsaiko hatramin'izay e, ireo vehivavy nanelingelina ahy tsy dia noraharahiko mihitsy e". dia hoy i Volana etsy niteny azy hoe :" izany ve! sao dia mba hoe eto imason'i dada dia matahotra ianao, hihihi! sa ahoana ry dada". ny dadany anefa lasa saina mandinika azy fa tena mitovy be an'ilay rainy i Rado ary efa nisy fotoana aza efa hitany tao amin'ny toeram-piasany i Rado niaraka tamin'i dadany, i Betrena mantsy no anaran'i dadany izay tena namany be mihitsy ao amin'ny toeram-piasana izay misy azy, dia hoy i Volana hoe :" toa variana be izany ho aho dada mandinika an'i Rado e?" dia hoy izy hoe:"a,a,a ahoana hoy ianao teo ry Volana a?; dia hoy i Volana hoe :"jere tsy enony akory ary kay ny fanontaniako teo, avereno aminy ry Rado a, ssssh!" dia hoy i Rado hoe :" tsy tadidiko ary izy teo ko", Volana:" ayi nareo koa zany tssssk" , dia hoy ny dadan'i Volana hoe :" fa inona aloha no aroso an'ise fa toa fahanan'i Volana resaka eto fotsiny ise ity marina ka?" dia hoy i Rado hoe :"aza dia misahirana re ry da....!", sady nisalasala kely hoe :"ry dadan'i Volana a", dia hoy Volana etsy hoe :" ataovy hoe dada fa tsy maninona ka ianao ko izany"! dia hoy ny dadany hoe :" eny e mety daholo izay iantsoinao ahy, fa izay an'i Volana izay no tena mety ko", dia hoy i Rado hoe :" aleo ataoko hoe dada ary e tsy maninona, fa aleo ngamba ranomboankazo dia efa ampy ry dada a!" dia hoy i Volana hoe:"aleo ataoko fa miresaha ianareo eo e!" dia lasa i Volana nikarakara tsakitsaky ho azy mianaka, dia izy mirahalahy moa nanohy ny resany teo. Ary nony hariva dia lasa i Rado nody fa mbola hiverina ny ampitso. ny ampitson'iny anefa dia nisy taratasy mbola ho alain'i Rado any amin'ny toeram-piasan'ny dadany kanjo tafahoana tany i Rado sy ny dadan'i Volana.
ny ampitso, dia tafahoana tany an-toeram-piasanany i Rado sy ny dadan'i Volana rehefa iny Rado sendra haka ireo antonta taratasy hikarakarana ny kareman'ny mpiasa iny, dia hoy i Rado hoe: "i,i,i, dadan'i Volana marina, oadray fa maninona ato ianao ry dada?", dia namaly azy moramora fotsiny izy ka hoy izy hoe:"ato aho r'ise ry Rado no miasa a, efa tsinjoko ihany hoe zanak'i Betrema ianao fa hita tena mitovy be aminy mantsy ianao raha vandany vao nahita anao tao an- trano aho", dia hoy i Rado hoe :" izany ve ry dada! tena lalina izany marina a, fa inona no asanao ato amin'i dada ato ka!" dia namaly izy hoe :"hirakiraka no asako ato re anaka ary izaho ihany anefa no tena hatokisan'ny dadan'ise amin'izany ary tsy mitady olona hasolo ahy mihitsy nandritr'izay taona maro niasako tato izay", dia hoy i Rado hoe:"izany ve, amin'izao taonanao izao, aaa, tsy mety aminao izao fa i dada ko ary ve adala e, olona efa lehibe hoatr'izao ve mbola hirakirahana ihany, sssh, aleo fa resako izy e!" dia tsy niteny moa ny dadan'i Volana fa nangina fotsiny, dia lasa aloha izy nody fa efa vita raha teo koa ny hiraka nampanaovina azy, nony tany an-trano dia nilazan'i Rado izy fa hoe ampiakarina amin'izay toerana sahaza azy izy, ary dia faly aoka izany ny tenany.
tao aorian'izany dia tonga ny fotoana hanaovana ny raharahan'i Rado sy Volana rehefa vita ireo dingana rehetra amin'i sehatry ny fanambadiana, ka dia roso tamin'ny mariazy izy roa ka dia faly tokoa satria ny tanteraka avokoa ny faniriany ary niafara tamin'ny fara sy dimby satria nanan-janaka roa i Rado sy Volana, izany tokoa ilay hoe fitiavana latsa-paka.

tapitra
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
1462 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146